Newsmada · World
Open in new tab ↗

Oniversite : Toamasina Ilàna fitantanana mangarahara

Newsmada 04:45 AM UTC Tue February 10, 2026 World

Tafapetraka tamin’ny fi­tantanana ny Oniversi­ten’i Toamasina, ny Dr Razanakolona Diny, ny alakamisy 29 janoary 2026 lasa teo. « Ilàna fitantanana mangarahara mifototra amin?ny fanajana ny maha olona, ny mpianatra sy ny mpanabe ary ireo mpikaroka ny fitantanana ny oniversite eto Madagasi­kara », hoy ny filohan?ny Oni­versiten?i Toamasina. Namba­rany fa ilàna fanoloran-tena sy fahafoizan-tena, atosiky ny ady amin?ny kolikoly sy tsy misy fanavahana ny zanaka malagasy ny fitantanana ny oniversite eto Madagasikara. Azo lazaina ho tanora indrindra izy tamin?ireo rehetra nifandimby teo. Mpianatra tao Barikadimy ny tenany no lasa filohan?ny Oniversite Barika­dimy. 110 ny isan’ny mpampianatra mpikaroka tamin?ny efa-taona lasa. Efa mahatratra 202 izany amin?izao. Ankoatra izay, niakatra ny isan’ny mpianatra ka antony nananganana sampan’ny oniversite any Fe­noarivo Atsinanana, Maroan­tsetra, Vatomandry, Mora­manga, Ambatondrazaka ary ny École doctorale diversité et développement durable. Anisan?ny nanamarika ny fitantanan?ny filohan?ny Oni­versiten?i Toamasina ihany koa ny hamaroan?ny famoahana ara-pomba ofisialy ireo mpianatra nahavita fiofanana.

Vous informer, c?est notre métier

8 rue Rainzanabololona Antanimena,

101 Antananarivo  ? Madagascar

tel: +261 20 22 326 26

← Previous Back to headlines

Comments

No comments yet.

Log in to leave a comment.