Omaly tolakandro, tany amin’ny manodidina ny 796 km atsinanan’i Toamasina no nisy ny foiben’ilay rivodoza Gezani. 65 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 90 km isan’ora ao anaty oram-baratra. Nikisaka miadana niakandrefana izy tato anatin’ny adiny enina farany ka nahafaka 5 km isan’ora. Tomombana ny tontolo ivoarany ka hitombo hery hatrany izy ato anatin’ny roa andro manaraka. Vinavinaina hiditra an-tanety eo anelanelan’i Mananara Avaratra sy Vatomandry i gezani rahampitso tolakandro na ny alina. Mety ho rivodoza mahery na cyclone tropical ny tanjany amin’ izay fotoana izay (tafiotra manodidina ny 180 km isan’ora). Ho fiomanana manoloana izany, nahazo filazana loza manambana miloko mavo : Ambatosoa, Analanjirofo, Toamasina I–II, Brickaville ary Vatomandry. Fanairana miloko maitso ho an’Alaotra Mangoro, Analamanga, Betsiboka, Antalaha, Andapa, Mandritsara, Befandriana Avaratra, Marolambo, Antanambao Manampotsy ary Mahanoro. Ankoatra ny rivotra mafy ho entiny eo am-pidirana an-tanety, hitondra rotsakorana betsaka amin’ireo faritra ho lalovany izy (100 hatramin’ ny 150 mm ao anatin’ny 24 ora). Iangaviana noho izany ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Vohémar sy Mahanoro tsy hiandriaka intsony manomboka anio tolakandro. Nanatanteraka fivoriana tety anivon’ny BNGRC ny filohan’ny CNGRC ny praiminisitra lehiben’ny governemanta niaraka tamin’ny minisi-panjakana miadidy ny Fanavaozana sy ny minisitra maromaro nijery ny fiomanana sy ahafahana maka toky fa efa mipetrapetraka ny asa fiantsorohina mialoha.
Vous informer, c?est notre métier
8 rue Rainzanabololona Antanimena,
101 Antananarivo ? Madagascar
tel: +261 20 22 326 26
Comments
No comments yet.
Log in to leave a comment.