PlainWire | Newsmada · Entertainment
Open in new tab ↗

Madagascar Mozarteum: Ho sarotra hadinoina ny « Concert Lyrique »

Newsmada 05:05 AM UTC Sat February 07, 2026 Entertainment

Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-166 ny « Concert classique de midi ». Hanana ny hampiavaka azy ny « Concert Lyrique ».

Tanora manan-talenta amin’ny fihirana no hiakatra ny sehatra. « Con­cert Lyrique », fampisehoana fahaiza-mihira. Fanam­poro­foana ny fahaizana « milalao » feo eo amin’ny olombelona. Ho tazana avokoa ireo mandritra ny andiany faha-166 amin’ny « Concert classique de midi » karakarain’ny Mada­gascar Mozarteum, ny talata 17 febroary izao, manomboka amin’ny 1 ora atoandro, ao amin’ny IFM Analakely. Fabio Rakotondrazanany (ténor), Mbolaniaina Rakotoa­rison (soprane), Faniry Rako­toarison (soprane), My-Andry Andriamahatratsoa (soprane) ary Safidy Randriamananjara (ténor). I Rindra Ramarosan­dratana kosa no hitendry ny piano. Ny sanganasan’ireo andrarezin’ny mozika klasika maneran-tany no hovelomin-dry zareo amin’io fotoana io. Anisan’izany ny an-dry L. Delibes, G. Donizetti, C. Gou­nod, G. Puccini, C. Bizet, sns. Marihina fa misy amin’ireo sanganasa ireo no nambaran’ny mpahalala momba ny feo sy ny hira fa somary sarotra haverina sy omena aina. ? Ny fampisehoana an-tsehatra tahaka itony « Concert lyrique » itony no ahafahana sy ahazoana ma­namporofo fa manana tanora manan-talenta sy nandalina momba ny tontolon’ny hira ny Malagasy sy i Madagasikara. Ankoatra ny fampitiavana ny mozika klasika. Tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny Madagas­car Mozarteum rahateo ny fampivelarana ny talenta.

Vous informer, c?est notre métier

8 rue Rainzanabololona Antanimena,

101 Antananarivo  ? Madagascar

tel: +261 20 22 326 26

©2025 - Newsmada Réalisation : We On Web

← Previous Back to headlines

Comments

No comments yet.

Log in to leave a comment.