Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-166 ny « Concert classique de midi ». Hanana ny hampiavaka azy ny « Concert Lyrique ».
Tanora manan-talenta amin’ny fihirana no hiakatra ny sehatra. « Concert Lyrique », fampisehoana fahaiza-mihira. Fanamporofoana ny fahaizana « milalao » feo eo amin’ny olombelona. Ho tazana avokoa ireo mandritra ny andiany faha-166 amin’ny « Concert classique de midi » karakarain’ny Madagascar Mozarteum, ny talata 17 febroary izao, manomboka amin’ny 1 ora atoandro, ao amin’ny IFM Analakely. Fabio Rakotondrazanany (ténor), Mbolaniaina Rakotoarison (soprane), Faniry Rakotoarison (soprane), My-Andry Andriamahatratsoa (soprane) ary Safidy Randriamananjara (ténor). I Rindra Ramarosandratana kosa no hitendry ny piano. Ny sanganasan’ireo andrarezin’ny mozika klasika maneran-tany no hovelomin-dry zareo amin’io fotoana io. Anisan’izany ny an-dry L. Delibes, G. Donizetti, C. Gounod, G. Puccini, C. Bizet, sns. Marihina fa misy amin’ireo sanganasa ireo no nambaran’ny mpahalala momba ny feo sy ny hira fa somary sarotra haverina sy omena aina. ? Ny fampisehoana an-tsehatra tahaka itony « Concert lyrique » itony no ahafahana sy ahazoana manamporofo fa manana tanora manan-talenta sy nandalina momba ny tontolon’ny hira ny Malagasy sy i Madagasikara. Ankoatra ny fampitiavana ny mozika klasika. Tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny Madagascar Mozarteum rahateo ny fampivelarana ny talenta.
Vous informer, c?est notre métier
8 rue Rainzanabololona Antanimena,
101 Antananarivo ? Madagascar
tel: +261 20 22 326 26
Comments
No comments yet.
Log in to leave a comment.