Newsmada · Science
Open in new tab ↗

Rakikira vaovao : Nafana ny famoahana ny « Za » Nate Tex

Newsmada 04:54 AM UTC Mon February 09, 2026 Science

Na, ho an’i Nate Tex, na ho an’ny mpijery sy mpankafy ny sanganasany. Andro lehibe ho azy ireo ny andro omaly, nivoahan’ny rakikira « Za » Nate Tex. Tao anatin’ny hafanana tanteraka ny seho.

«Tena zava-dehibe loatra amiko ity. Mi­tantara fiainana be ilay rakikira…», hoy i Nate Tex nandritra ny fampahafanta­rana ny fivoahan’ilay rakikira « Za » Nate Tex, tany amin’ny volana janoary. Izay tokoa no nitranga nandritra ny fampisehoana an-tsehatra notontosainy tetsy amin’ny CCEsca An­tanimena, omaly tolakandro. Seho nanehoana an-tsehatra ilay rakikira sy ny voarakitra ao anatiny. Tao anatin’ny ha­fanana tanteraka no nihirany sy nanolorany ny hira voarakitra tao anatin’ity rakikira faharoa ity. Nisongadina, omaly, ny fifampizarana fitiavana teo amin’ny mpijery sy ny teny an-tsehatra. Antony iray niteraka ilay hafanana ihany koa. Nolaroin’i Nate Tex hatsikana hatrany ny fanolorany ireo hira nohirainy sy ireo niarahany nihira tamina mpanakanto hafa. Tsikaritra fa havanana amin’ny fampitan-kevitra amin’ ny alalan’ny hatsikana ihany koa ity mpanakanto ity. Amin’ ny ankapobeny, ilay lalana nodiaviny nandritra ny taona maro no nentiny teny an-tsehatra. Anisan’ireny ny nanaovany fifaninanana « Paz­zapa »? ?Niakatra hatrany ny ha­fanana sy ny fifamatorana teo amin’i Nate Tex sy ny mpijery tonga maro teny an-toerana? Nanamafy izany ny fiarahana mihira ny « Tsara tsodrano ». Tahaka izany ihany koa ny nahitana an’i Fy nihira niaraka taminy ilay hira « Mfly Away ». Fotoana nitondra hafanana lehibe tokoa nanerana ny efitrano. Fifampizarana hafa­nana sy fitiavana lehibe teo amin’i Nate Tex sy ny mpijery ihany koa ny fampiaraham-peo teo amin’ny sy i Micky niaraka tamin’ny zanak’izy ireo.

Vous informer, c?est notre métier

8 rue Rainzanabololona Antanimena,

101 Antananarivo  ? Madagascar

tel: +261 20 22 326 26

← Previous Back to headlines

Comments

No comments yet.

Log in to leave a comment.