Voatohintohina ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy. Tsy mpamono olona ny Malagasy. Tsy mpanao sorona olona ny Malagasy. Soatoavina malagasy hita manerana an’i Madagasikara ireo. Amin’izao fotoana, anefa, mivaha izany. Sahin’ny Malagasy ny mandatsak’aina. Toa tsy atahorany intsony ny tody izay tsy azo hialana. Nisesisesy tato ho ato ny tranga famonoana olona, satria, mahantra ny Malagasy ? Fahantrana lalina mihatra amin’ny vatana sy ny saina ary ny fanahy. Mila fanarenana goavana amin’ny alalan’ny fanabeazana io tranga io. Miala ao an-tokatrano, mipaka eny amin’ny fiarahamonina.
Taom-baovao Malagasy ny 18 marsa hifoha 19 marsa. Vanim-potoana lehibe ho an’ny Malagasy iray manontolo ny fankalazana sy ny fanamarihana azy ity. Fotoana hamerenana sy hanehoana indray ireo fomba amam-panaon’ny Malagasy amin’ny tonon-taona tahaka izao. Marihina fa afaka mankalaza izany avokoa ny olon-drehetra. Ny hiverenan’ny Malagasy any amin’ny fanomezan-kasina ny soatoaviny sy ny fombany rahateo no anisan’ny kendrena amin’ny fankalazana tahaka itony.
Variana midedaka amin’ny an’ny hafa. Manana ny kolontsainy sy ny zavakanto ny Malagasy. Noho ny fanabeazana omena ny taranaka malagasy. Mipi-kelika amin’ny fanehoana ny an’ny hafa izy ireo. Ho fanarenana ny lesoka. Nanapa-kevitra ny foibe fikarohana sy fampianarana momba ny kolontsaina malagasy Valiha Académie fa hanatevina ny fampianarana omeny. Hiroso amin’ny fampitam-pahalalana momba ny « fanahy no olona » izy ireo manomboka amin’ity taona 2026 ity.
Vous informer, c?est notre métier
8 rue Rainzanabololona Antanimena,
101 Antananarivo ? Madagascar
tel: +261 20 22 326 26
Comments
No comments yet.
Log in to leave a comment.