“Dina tsy mavandy” no anaran’ny dina ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana. Efa nahazo fankatoavana tamin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Farafangana izy io, tamin’ny volana desambra 2025. Miroso ny fanaparitahana sy fampiharana azy amin’ izao fotoana izao. Izay no anton’ny atrikasa niantsoana ireo mpitondra eto amin’ny faritra nahitana ny prefektora, mpiandraiktra ao amin’ny faritra, ireo mpitandro filaminana sy ireo ben’ny Tanàna ao Farafangana ary ireo fikambanana tsotra sy ireo raiamandreny ara-drazana. Ao anatin’ny tetikasa Landja ny hetsika izay vatsian’ ny PBF vola ka mandrindra ny asa ny Haut Commissariat des droits de l’homme des Nations Unies, ny Pnud ary ny Msis Tatao. Ny ny fikambanana ACDEM kosa no manatanteraka. Navoitra nandritra ny fivoriana fa manamaivana ny asan’ny fitsarana ny fisian’ ny dina sady mamaha ny olana eny ifotony amin’ny fomba tena malaky ka tsara ny hametrahana ireo rafitra isaky ny fokontany. Miainga eny amin’ ny fokontany ny komitin’ny dina, ireo amin’ny fokotany indray no mifidy ny mandrafitra ny eo anivon’ny kaominina. Ny eo anivon’ny kaominina no mifidy ny mpikambana eo anivon’ny faritra. Fifidianana avokoa ny fametrahana ireo mpikambana isan’ambaratongany hisorohana ny kiantranoantrano sy ny mety ho fitanilana. Dingana manaraka ny fanaparihana ny rijateny ho fantatry ny maro sy ny fametrahana ny komitin’ny dina. Hifarana ny ny volana desambra ny tetikasa ka manantena ny vahoaka fa hipetraka sy afaka hiasa ireo komity mandra-pahavitan’ny asa sahanin’ny tetikasa.
Vous informer, c?est notre métier
8 rue Rainzanabololona Antanimena,
101 Antananarivo ? Madagascar
tel: +261 20 22 326 26
Comments
No comments yet.
Log in to leave a comment.