Mametraka ho vaindohan-draharaha manoloana ny famarinan’olona sy ny fijerena manokana ireo mpifindra monina voatazona ao amin?ny ?Centre de rétention? atsy Maorisy, ny fanjakana. Anisan’ny anton-dian’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, any an-toerana izany. Voalaza fa maro amin’ireo Malagasy nifindra any noho ny fampanantenana hahazo asa. Voatana amin’ny toerana manokana anefa izy ireo amin’izao fotoana izao satria lasibatry ny tambajotra tsy ara-dalàna na niharan’ny hosoka nataon’ny sasany. Maro amin’izy ireo koa no voasambotry ny manam-pahefana avy hatrany ary tazonina ao na miezaka mifindra monina amin’ny toerana hafa aza na koa voafitaka rehefa any. « Miatrika zava-tsarotra izahay eo am-piandrasana ny fiverenany aty an-tanindrazana », hoy ny sasany amin’izy ireo. Nambaran’ny minisitra fa hojerena akaiky ny zava-misy, ary harovana manokana ny zon’ny olom-pirenena malagasy. Nolazain’ny manam-pahefana any an-toerana fa nahazo vahana ny tambajotra mpanao hosoka mandefa olona any Maorisy tao anatin’ ny taona vitsy. « Manararaotra ny fahalemena ara-toekarena sy ny tsy fahalalana momba ny fifindra-monina ara-dalàna ataon’ny maro izy ireny », hoy izy ireo. Eo koa ireo voasarika noho ny karama any ka nandeha tsy nisy taratasy ara-dalàna na tratry ny fifanekena sandoka. Efa ao anatin’ny fanadiovana ireo « Agence de récrutement » ny eo anivon’ny minisiteran’ny Asa amin’izao fotoana izao. Koa miantso ny olom-pirenena ho mailo ny governemanta.
Vous informer, c?est notre métier
8 rue Rainzanabololona Antanimena,
101 Antananarivo ? Madagascar
tel: +261 20 22 326 26
©2025 - Newsmada Réalisation : We On Web
Comments
No comments yet.
Log in to leave a comment.