PlainWire | Newsmada · Technology
Open in new tab ↗

Tambajotrana asa tsy ara-dalàna : Maro ireo Malagasy voatazona atsy Maorisy

Newsmada 05:04 AM UTC Sat February 07, 2026 Technology

Mametraka ho vaindohan-draharaha manoloana ny fama­rinan’olona sy ny fijerena manokana ireo mpifindra monina voatazona ao amin?ny ?Centre de rétention? atsy Maorisy, ny fanjakana. Ani­san’ny anton-dian’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Er­naivo, any an-toerana izany. Voalaza fa maro amin’ireo Malagasy nifindra any noho ny fampanantenana hahazo asa. Voatana amin’ny toerana manokana anefa izy ireo amin’izao fotoana izao satria lasibatry ny tambajotra tsy ara-dalàna na niharan’ny hosoka nataon’ny sasany. Maro amin’izy ireo koa no voasambotry ny manam-pa­hefana avy hatrany ary tazo­nina ao na miezaka mifindra monina amin’ny toerana hafa aza na koa voafitaka rehefa any. « Miatrika zava-tsarotra izahay eo am-piandrasana ny fiverenany aty an-tanindrazana », hoy ny sasany amin’izy ireo. Nambaran’ny minisitra fa hojerena akaiky ny zava-misy, ary harovana ma­nokana ny zon’ny olom-pirenena malagasy. Nolazain’ny manam-pahefana any an-toerana fa na­hazo vahana ny tambajotra mpanao hosoka mandefa olona any Maorisy tao anatin’ ny taona vitsy. « Manararaotra ny fahalemena ara-toekarena sy ny tsy fahalalana momba ny fifindra-monina ara-dalàna ataon’ny maro izy ireny », hoy izy ireo. Eo koa ireo voasa­rika noho ny karama any ka nandeha tsy nisy taratasy ara-dalàna na tratry ny fifanekena sandoka. Efa ao anatin’ny fanadiovana ireo « Agence de récrutement » ny eo anivon’ny mi­nisiteran’ny Asa amin’izao fotoana izao. Koa miantso ny olom-pirenena ho mailo ny governemanta.

Vous informer, c?est notre métier

8 rue Rainzanabololona Antanimena,

101 Antananarivo  ? Madagascar

tel: +261 20 22 326 26

← Previous Back to headlines

Comments

No comments yet.

Log in to leave a comment.