PlainWire | Newsmada · Technology
Open in new tab ↗

« Spass Gasy 2026 » : Fihaonamben’ny Mala­gasy any Allemagne

Newsmada 05:05 AM UTC Sat February 07, 2026 Technology

Raha manana ny « RNS » ny ao France, efa hiditra amin’ny andiany fahefatra ihany koa ny « Spass Gass » amin’ity. Fihaonamben’ireo Malagasy any Allemagne ity hetsika ity, izay hotontosaina ny 23 sy 24 mey izao, any Bonn. Fihaonana ara-kolontsaina sy fanantanjahantena no hatao mandritra izany, raha ny nambaran-dry zareo avy ao amin’ny Mah Event, mpikarakara. Hanamafisana ny fototra maha Malagasy ireo hetsika ara-javakanto, toa ny slam sy mozika. Arahina fandihizana hafanaina DJ malagasy ihany koa izany. Fotoana hifampiresahan’ny mpiray tanindrazana amin’ny tenim-pirenena, hampitaina ho an’ny taranaka ny fitiavana ny teny malagasy koa. Lafiny fanatanjahantena kosa, hisy ny fifaninanana ara-pirahalahiana eo amin’ny taranja basikety, lahy sy vavy, sy volley iombonana.

Vous informer, c?est notre métier

8 rue Rainzanabololona Antanimena,

101 Antananarivo  ? Madagascar

tel: +261 20 22 326 26

← Previous Back to headlines Next →

Comments

No comments yet.

Log in to leave a comment.