Raha manana ny « RNS » ny ao France, efa hiditra amin’ny andiany fahefatra ihany koa ny « Spass Gass » amin’ity. Fihaonamben’ireo Malagasy any Allemagne ity hetsika ity, izay hotontosaina ny 23 sy 24 mey izao, any Bonn. Fihaonana ara-kolontsaina sy fanantanjahantena no hatao mandritra izany, raha ny nambaran-dry zareo avy ao amin’ny Mah Event, mpikarakara. Hanamafisana ny fototra maha Malagasy ireo hetsika ara-javakanto, toa ny slam sy mozika. Arahina fandihizana hafanaina DJ malagasy ihany koa izany. Fotoana hifampiresahan’ny mpiray tanindrazana amin’ny tenim-pirenena, hampitaina ho an’ny taranaka ny fitiavana ny teny malagasy koa. Lafiny fanatanjahantena kosa, hisy ny fifaninanana ara-pirahalahiana eo amin’ny taranja basikety, lahy sy vavy, sy volley iombonana.
Vous informer, c?est notre métier
8 rue Rainzanabololona Antanimena,
101 Antananarivo ? Madagascar
tel: +261 20 22 326 26
©2025 - Newsmada Réalisation : We On Web
Comments
No comments yet.
Log in to leave a comment.